top of page

Fampanantenana 15 ny Raozery

Ireto manaraka ireto ny fampanantenana 15 omen’i Masina Maria izay mivavaka ny Raozery isan’andro am-pitiavana sy amim-pahazotoana:

 

  1. Izay mavitrika amin’ny fanompoana ahy amin’ny fanaovana ny Raozeriko dia hahazo fahasoavana ilainy amin’ny fahamasinana.

  2. Mampanantena fiarovana manokana sy fahasoavana lehibe ho an’izay manao ny Raozery aho.

  3. Ny Raozery dia fiarovana mahery vaika amin’ny afo-be ka mandrava ny fahazarandratsy, mampihena ny fahotana sy ny fampianarana diso.

  4. Izy koa dia mampitombo ny fitondrantena tsara, mampahazo ny famindrampon’ Andriamanitra mitafotafo, manala ny olona amin’ny fitiavana ny zavatr’izao tontolo izao ka mahatonga azy himbanjina ny fiainana mandrakizay.

  5. Tsy ho very izay mametraka ny fitokisany amin’ny Raozery.

  6. Izay mivavaka tsara amin’ny fo ny Raozeriko dia tsy ho reraky ny zava-dratsy mpitranga. Tsy ho voan’ny hatezeran’Andrimanitra izy ary tsy ho very amin’ny fahafatesana tampoka ihany koa. Ny mpanota hibebaka, moa ny olo-marina hoarovana hijanona ho olo-marina ao anatain’ny fahasoavan’Andriamanitra sy ho mendrika ny fiainana mandrakizay.

  7. Izay mavitrika amin’ny fivavahana ny Raozeriko dia tsy ho faty tsy handray ny Sakramenta.

  8. Izay maharitra amin’ny fanaovana ny Raozeriko dia hanana ny fahazavan’Andriamanitra mandritra ny fiainany ety an-tany sy amin’ny ora hahafatesany, sy ny fahasoavana feno; ary hizara ny fanomezana natokana ho an’ireo olomasina.

  9. Hoavotako avy hatrany ao amin’ny afo-fandiovana ny fanahin’izay mavitrika amin’ny fivavahana ny Raozeriko.

  10. Ireo zanako mavitrika amin’ny Raozeriko dia hiaina amim-boninahitra ambony any an-danitra.

  11. Izay hangatahinao amin’ny Raozeriko dia ho azonao.

  12. Hoampiako amin’ny fahasahiranany izay manamparitaka ny Raozery.

  13. Azoko avy amin’ny Zanako lahy fa hivavaka ho an’izay mpankafy ny Raozeriko ny Anjely sy ny olomasina rehetra any an-danitra mandritra ny fiainany sy amin’ny ora hahafatesany.

  14. Izay mazoto mivavaka ny Raozery dia zanako tiako ary noho izany dia rahalahy sy anabavin’I Jesoa Kristy.

  15. Ny fahafanam-po amin’ny Raozeriko dia famantarana ny efa voasoratr’Andriamanitra.

 

bottom of page