Lalan'ny Hazofijaliana
Mpitarika: Ry kristianina havana, manetre-tena, mandiniha, fa i Jesoa ilay tsy manan-tsiny dia voaheloka ho faty, hamonjy antsika. Amin'izao fanompoam-pivavahana izao no hahitantsika ny nataon'ilay Zanak'Andriamanitra hampisehoany ny fitiavany antsika.
Ry Jesoa Andriamanitra ô, tonga eto izahay mba handinika ny Lalan'ny Hazofijalianao; hanara-dia Anao Mpiandry ondry tsara izahay, fa Ianao nahafoy ny ainao ho an'ny ondrinao, ho an'ny tenanay.
Vahoaka: Ampio izahay amin'izao fandinihana masina izao.
Mpitarika: Diovy ny fonay ary herezo mba hazava lalandava eo imasonay ny nataonao; ho henonay ny anatrao, ary mba hotanterahinay isanandro ny adidinay.
Vahoaka: Mba ho mendrika ny fanjakanao izahay!
Mpitarika: Ry Masina Maria, Reny be alahelo ô, ianao no voalohan' ny voaavotra!
Vahoaka: Mitalahoa amin'ny Zanakao mba hamindra fo Izy.
1. I Jesoa helohina ho faty
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.
Vahoaka: Fa lanao nanavotra ny olombelona tamin'ny Hazofijalianao masina.
Mpitarika: Teo anatrehan’ny pilaty ny vahoaka nosoavin’i Jesoa, dia nivadika taminy ka nangataka handefasana an’i Barabasy jiolahy. Fa i Jesoa zokintsika, ilay Tompo zanahary dia nolazain’ny vahoaka sy ilay mpitsara fa mendrika ho faty. Indro i Jesoa voakapoka, nosatrohina fehiloha tsilo, nijoro teo anatrehan'i Pilaty sy ny vahoaka Jody ny Tenany no nisolo heloka antsika rehetra. Fa hoy ny vahoaka Jody: Fantsiho amin'ny Hazofijaliana Izy.
Vahoaka: Ny tenanay koa mamerina izany teny izany; ny tenanay no manameloka Anao isaky ny mandika ny didinao.
Mpitarika: Ry Jesoa Andriamanitra ô, herezo ny fonay mba hanekenay ny sitraponao masina na amin'inona na amin'inona.
Vahoaka: Ampio izahay, ry Jesoa!
Miaraka: Ampianaro hanindry ny hatezeranay izahay, ry Jesoa Andriamanitra, hany tena Mpitsara ny olona, be indrafo Ianao, mifona aminao izahay, amin’ny ratsy nataonay hatramin’ny naha-olombelona anay, ka afaho izahay, ry Tompo, amin’ny andro fitsarana!
Mpitarika: Mamindrà fo aminay, ry Tompo.
Vahoaka: Mamindrà fo aminay
Mpitarika: Aoka anie mba handry amin'ny fiadanana noho ny famindrampon' Andriamanitra ny fanahin'ny kristianina efa maty.
Vahoaka: Amena.
HIRA: (Feon’ny Stabat Mater)
Ndre mijoro Reny ory
Teo am-pototry ny hazo
Nifantsihan-Janany
2. I Jesoa ampitondraina ny Hazofijaliana
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.
Vahoaka: Fa lanao nanavotra ny olombelona tamin'ny Hazofijalianao masina.
Mpitarika: I Jesoa mandray ny hazo hamonoana Azy tahaka ireo jiolahy, fa very ra be loatra izy ka mivembena dia lavo. Mba fantaro, ry kristianina fa ny ratsy nataontsika no nentin’i Jesoa Zokintsika ka mandreraka Azy toy izao. Voaheloka i Jesoa. Amin'ny fo feno fandeferana tokoa no andraisany ny Hazofijaliana ampitondrain'ny miaramila Azy. Koa mba hanekeny ny sitrapon'ny Rainy dia nentiny ny hazo hamonoana Azy, nolanjainy hatrany an-tendrombohitra hanaovany sorona ny Tenany tahaka ny nataon'i Isaaka fahiny.
Vahoaka: Ny haratsianay ry Jesoa, no nandrafitra ny Hazofijalianao.
Mpitarika: Hoy i Jesoa: « Izay te-ho mpianatro aoka handray ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy ». Eny, hanaradia Anao isan'andro izahay.
Vahoaka: Be fahoriana eto an-tany. Ianao nijaly, ka izahay koa vonona handefitra izay hihatra aminay isan' andro.
Miaraka: Herezo izahay, ry Jesoa, hitondra ny Hazo Fijaliana miaraka aminao. Eny, ry Jesoa, ny Hazo Fijalianao dia aoka ho reharehanay; ao manko no misy ny famonjena, ny fiainana, sy ny fitsanganan-ko velona indray. Izy no nanafaka sy nanavotra an’izao tontolo izao.
Mpitarika: Mamindrà fo aminay, ry Tompo.
Vahoaka: Mamindrà fo aminay
Mpitarika: Aoka anie mba handry amin'ny fiadanana noho ny famindrampon' Andriamanitra ny fanahin'ny kristianina efa maty.
Vahoaka: Amena.
HIRA:
Teo ny fony hontsa mafy
Feno senton’alahelo
Tanterahin-defona
3. I Jesoa lavo noho ny havesaran'ny Hazofijaliana
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.
Vahoaka: Fa lanao nanavotra ny olombelona tamin'ny Hazofijalianao masina.
Mpitarika: Indro ny zanak’Andriamanitra lavo mihohoka amin’ny tany, fa mafy loatra ny manjo Azy hatramin’ny nisamborana Azy. Miarina haingana anefa Izy mba ho fianarantsika sy hanome hery antsika mba hialantsika amin’ny ota.
Vahoaka: Tsy mahagaga raha lavo noho ny havesaran'ny Hazofijaliana Ianao, ry Jesoa, fa efa reraka loatra tamin'ny nikapohana Anao; sady ny làlana miakatra amin'ny tendrombohitra, ratsy. Fa mbola nanampy trotraka nanavesatra Anao indray ny fahotanay!
Miaraka: Ny Finoana – “Andriamanitra, izaho mino mafy ny teny rehetra inoan’ny Eglizy masina Katolika Romana, sy ampianariny anay, fa Ianao no nanambara izany taminy.”
Mpitarika: Mamindrà fo aminay, ry Tompo.
Vahoaka: Mamindrà fo aminay
Mpitarika: Aoka anie mba handry amin'ny fiadanana noho ny famindrampon' Andriamanitra ny fanahin'ny kristianina efa maty.
Vahoaka: Amena.
HIRA:
Tena vonton’alahelo
Ndrisy Reny masina anie
Sady Lahitokana
4. I Jesoa mifanena amin'ny reniny
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.
Vahoaka: Fa lanao nanavotra ny olombelona tamin'ny Hazofijalianao masina.
Mpitarika: Adrey ! zany fahorian’i Jesoa sy ny reniny, torotoro ny fon’i Maria, Jesoa efa reraka tokoa. Mifona izahay, ry Reny Malala, fa ny toetranay ratsy no nahatonga an’i Jesoa sy ianao Reniny hijaly toy izao.
Vahoaka: I Masina Maria nifanena tamin'ny Zanany milanja ny Hazofijaliana mavesatra teny amin'ny lalana taritaritin'ny olo-masiaka maro sy hodidinina vahoaka ratsy mpivadika manevateva Azy. Tanteraka ilay tenin'i Simeôna, tamin'ny nanoloran'i Masina Maria ny Zanany tao amin' ny tempoly hoe: « Hotanterahin-tsabatra alahelo ny fanahinao ».
Miaraka: Tompoko sy Reniko – Izaho manome anao ny tenako rehetra; ary ho famatarana ny famehezako tena aminao dia atokako ho anao anio ny masoko, ny sofiko, ny vavako, ny foko sy ny aiko rehetra. Efa anao avokoa aho ry Reny mamiko; koa ambeno aho ary arovy aho tahaka ny zavatrao sy fanananao. Amen.
Mpitarika: Mamindrà fo aminay, ry Tompo.
Vahoaka: Mamindrà fo aminay
Mpitarika: Aoka anie mba handry amin'ny fiadanana noho ny famindrampon' Andriamanitra ny fanahin'ny kristianina efa maty.
Vahoaka: Amena.
HIRA:
Nitoloko velon-tsento
‘zato Reny be fitia fa
mijaly sombin’aina
5. I Simona, lehilehy sireneanina, manampy an'i Jesoa mitondra ny Hazofijaliana
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.
Vahoaka: Fa lanao nanavotra ny olombelona tamin'ny Hazofijalianao masina.
Mpitarika: Nampitombo ny faharerahan’i Jesoa ny nahitany an-dReniny, ka noteren’ny mpamono Azy hanampy Azy i Simôna sendra nandalo.
Vahoaka: Ry Jesoa Tompo malala, akambanay amin’ny Anao ny asanay sy ny fijalianay ho onotry ny ratsy nataonay.
Mpitarika: Taitra loatra i Jesoa tamin'Izy nifanena tamin'ny Reniny malalany, nitombo ny faharerahany, mivembena Izy ka atahoran'ny mpamono Azy sao tsy tonga any amin' ny tany hamonoana Azy, ka i Simôna, olona nandalo, no noteren'ny miaramila hanampy an'i Jesoa hilanja ny Hazofijaliana. I Simôna tandindon'ireo mpianatr'i Jesoa hanaiky ny teniny hoe: Raiso ny jiogako, satria mora entina ary maivana.
Miaraka: Fanolorana – Andriamanitra, atolotro Anao ny hevitro, ny teniko, ny asako, ny fijaliako, dia akambako amin’ny fijalian’i Jesoa Kristy izany, ho fanalana ny fahotako; tahio aho hanaraka ny sitraponao masina amin’ny fo mazoto.
Mpitarika: Mamindrà fo aminay, ry Tompo.
Vahoaka: Mamindrà fo aminay
Mpitarika: Aoka anie mba handry amin'ny fiadanana noho ny famindrampon' Andriamanitra ny fanahin'ny kristianina efa maty.
Vahoaka: Amena.
HIRA:
Iza no tsy hitomany
Rah’ mibanjina ‘lay Reny
Tototry ny fahoriana
6. I Veronica mamaoka ny tavan'i Jesoa
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.
Vahoaka: Fa lanao nanavotra ny olombelona tamin'ny Hazofijalianao masina.
Mpitarika: Be herim-po tokoa io vehivavy tsara fo io, fa nanavasava ny miaramila ka namaoka ny tavan’i Jesoa.
Vahoaka: Soraty ho raikitra ato amponay ny endrikao, ry Tompo tsy foy, mba tsy hahamenatra anay ny maha-kristianina anay.
Mpitarika: Tazan'ity vehivavy ity ny tarehin'i Jesoa feno rehoka sy vovoka: amin-kerim-po izy no nanavasava ny miaramila hamaoka izany tava efa niova izaitsizy izany. Ho valin' ny herim-pony sy ny fitiavany dia nipetaka tamin'ilay lamba fotsy namaohany azy ny sarin'ny Tompony malalany.
Miaraka: Anima Christi - Ry Fanahin'i Jesoa, hamasino aho. Ry vatan'i Jesoa, vonjeo aho. Ry ran'i Jesoa, etsaho aho. Ry rano nivoaka ny lanivoan'i Jesoa, sasao aho. Ry fijalian'i Jesoa, herezo aho. Ry Jesoa tsara fo, henoy aho. Afeno ao anatin'ny ferinao aho. Aza avela hisaraka aminao aho. Arovy amin'ny hasomparan'ny fahavalo aho. Antsoy amin'ny andro hahafatesako aho. Ary asaovy mankany aminao aho. Mba hiara-mankalaza Anao amin'ny Olomasina, mandrakizay.
Mpitarika: Mamindrà fo aminay, ry Tompo.
Vahoaka: Mamindrà fo aminay
Mpitarika: Aoka anie mba handry amin'ny fiadanana noho ny famindrampon' Andriamanitra ny fanahin'ny kristianina efa maty.
Vahoaka: Amena.
HIRA:
Tsy hangoraka iza moa
Rah’ mijery ‘zato Reny
Ory toa an-Janany?
7. I Jesoa lavo fanidroany
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.
Vahoaka: Fa lanao nanavotra ny olombelona tamin'ny Hazofijalianao masina.
Mpitarika: Ry Jesoa be fitiavana ô; indro Ianao lavo indray, koa ny haratsianay maro loatra mba asaovy iarenanay. Omeo anay ny herinao mba tsy hamoy fo izahay fa hiarina tokoa amin’ny haratsianay.
Vahoaka: Mihareraka ny Tompo mila tsy ho zakany ny fahoriana, ka lavo indray Izy. Nefa miarina hatrany Izy mba hanatanteraka ny soron'ny Tenany. Indro Ianao, ry Jesoa, fa mitovy aminay ka miseho ho malemy, fa ny fahalemenay kosa dia ny fahotana; tsy mba indroa izahay no lavo fa imbetsaka.
Miaraka: Fanantenana – Andriamanitra, izaho miankina amin’ny teninao sy amin’ny soa nataon’I Jesoa Kristy; ka manantena ny fitahianao ety an-tany sy ny fahafinaretana any an-danitra, raha manaraka ny didinao aho.
Mpitarika: Mamindrà fo aminay, ry Tompo.
Vahoaka: Mamindrà fo aminay
Mpitarika: Aoka anie mba handry amin'ny fiadanana noho ny famindrampon' Andriamanitra ny fanahin'ny kristianina efa maty.
Vahoaka: Amen.
HIRA:
Noho’ny otan’ny vahoaka
Jesoa hitany mijaly
Rotiky ny kapoka
8. I Jesoa manafaka alahelo ireo vehivavy masina manaraka azy
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.
Vahoaka: Fa lanao nanavotra ny olombelona tamin'ny Hazofijalianao masina.
Mpitarika: Hoy Jesoa tamin’ireo nitsetra Azy : « Ny tenanareo itomaniana, mba ho afa-tsiny ianareo eo anatrehako » Fa efa akaiky ny fitsarako ny tanànanareo sy ny mpamadika rehetra izay tsy mibebaka amin’izao.
Vahoaka: Maro ny vahoaka nanaraka an'i Jesoa. Nisy vehivavy masina nangoraka sy nitomany Azy. Fa hoy Izy: « Aza mitomany Ahy foana ianareo fa ny tenanareo sy ny firenenareo itomaniana, fa raha izao no atao amin'ny hazo lena, inona kosa no hatao amin'ny hazo maina ? »
Miaraka: Izahay mifefy aminao - Izahay mifefy aminao, ry Renimasin’Andriamanitra, aza manary ny fangatahanay amin’ny manjoa anay, fa afaho amin’ny rofy rehetra mandrakizay izahay, ry Virjiny be voninahitra sy be hasoavana.
Mpitarika: Mamindrà fo aminay, ry Tompo.
Vahoaka: Mamindrà fo aminay
Mpitarika: Aoka anie mba handry amin'ny fiadanana noho ny famindrampon' Andriamanitra ny fanahin'ny kristianina efa maty.
Vahoaka: Amen.
HIRA:
Hitany ‘lay sombin’aina
Safotr’alahelo mafy
Rah’ misento miala aina
9. I Jesoa lavo fanintelony
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.
Vahoaka: Fa lanao nanavotra ny olombelona tamin'ny Hazofijalianao masina.
Mpitarika: Jesoa lavo fanintelony dia efa reraka tokoa, nefa miarina haingana mba ho ohatra ho antsika. Mba hatolory ny tananao hanampy anay ry Jesoa, fa maro ny fakampanahy ka sao dia resy izahay.
Vahoaka: Tapitra ny dianao, ry Tompo. Efa nihakely ny ainao ka lavo indray Ianao voatsindrin'ny hazo mavesatra. Nisaintsaina ireo olona rehetra ho vonjena. Ho azy rehetra, ry Jesoa, ho anay rehetra, no anekenao handia ny lalan-tsarotra. Izahay rehetra no noheverinao tamin'ireny fisasaranao ireny. Tsinjonao ireo hanao tsinontsinona ny Ranao hatramin'ny taona mifandimby sy ireo hanalavitra Anao.
Miaraka: Fitiavana – Andriamanitra, izaho tia Anao amin’ny foko rehetra, ambonin’ny zavatra rehetra, satria tsara indrindra Ianao ka tokony ho tiana indrindra. Izaho tia ny namako tahaka ny tenako, noho ny fitiavako Anao.
Mpitarika: Mamindrà fo aminay, ry Tompo.
Vahoaka: Mamindrà fo aminay
Mpitarika: Aoka anie mba handry amin'ny fiadanana noho ny famindrampon' Andriamanitra ny fanahin'ny kristianina efa maty.
Vahoaka: Amena.
HIRA:
O ry Reny be fitia
‘zato sentonao ho reko
ranomaso hiombonana
10. I Jesoa endahina akanjo
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.
Vahoaka: Fa lanao nanavotra ny olombelona tamin'ny Hazofijalianao masina.
Mpitarika: Tonga eo an-tampon’ny Kalvery: endahina ny akanjony, ny fery tamin’ny nikapohana Azy dia velona daholo indray.
Vahoaka: Toa fery iray ihany ny Tenanao satria tianao honerana tsirairay ireo fahotana sy haratsiana ataonay amin’ny fandrenesanay rehetra.
Mpitarika: Miraikitra amin'ny sorony mandeha ra ny akanjony, misokatra indray ny feriny ka mivoaka ra, mampanaintaina ny Tenany manontolo ny fangirifiriana.
Miaraka: Mitafia famindram-po amam-pahendreana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotinana amam-pandeferana; mialà amin’ny fitondran-tenanareo taloha, mitafia ny olom-baovao, izay nohariana araka an’Andriamanitra, amin’ny fahamarinana amam-pahamasinana tena izy tokoa.
Mpitarika: Mamindrà fo aminay, ry Tompo.
Vahoaka: Mamindrà fo aminay
Mpitarika: Aoka anie mba handry amin'ny fiadanana noho ny famindrampon' Andriamanitra ny fanahin'ny kristianina efa maty.
Vahoaka: Amena.
HIRA:
‘Zato anie hirehi-pitia
An’i Jesoa Zanahary
Ka hanao ‘zay sitrany
11. I Jesoa fantsihina amin'ny Hazofijaliana
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.
Vahoaka: Fa lanao nanavotra ny olombelona tamin'ny Hazofijalianao masina.
Mpitarika: Jereo ny mpamono masiaka mamantsika an’i Jesoa Tompo, manaintaina ny tongotra aman-tanany, ny Rany mandriaka avy amin’ny hozany. Ny fitiavanao anay, ry Jesoa, no nanoloranao ny Tenanao maratra amin’ny Rainao.
Vahoaka: I Jesoa manolo-tena amin'ny mpamono mba hofantsihana ka miampatra ho azy eo ambonin'ny Hazofijaliana. Tsy nahalala Ilay fantsihany izy ireo fa adidy moa ny azy ka dia ataony. Izany hamafin'ny fangotsongotsohana niaretanao, ry Jesoa mpamonjy! ho anay no nandeferanao izany.
Miaraka: Ry fon'i Jesoa Andriamanitra, atolotro Anao, amin’ny alalan’ny Fon’i Maria madio indrindra, ny fivavahako, ny asako sy ny fijaliako. Ary ny anolorako azy indrindra anio, dia hanorenako ny fahotako, anton’ny nahafatesanao.
Mpitarika: Mamindrà fo aminay, ry Tompo.
Vahoaka: Mamindrà fo aminay
Mpitarika: Aoka anie mba handry amin'ny fiadanana noho ny famindrampon' Andriamanitra ny fanahin'ny kristianina efa maty.
Vahoaka: Amena.
HIRA:
Mary Reny malahelo
Soraty raikitr’am-poko
Ny ferin’ny Zanakao
12. I Jesoa miala aina eo ambon'ny Hazofijaliana
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.
Vahoaka: Fa lanao nanavotra ny olombelona tamin'ny Hazofijalianao masina.
Mpitarika: Averinay aminao ry Jesoa ny fangatahan’ilay jiolahy : « Mba tsarovy koa izahay rehefa tonga any amin’ny fanjakanao Ianao ». Omeo anay ny fahasoavanao mba tsy hamoy fo izahay fa ny famelanao ihany no maha-zanakao indray.
Vahoaka: Io i Jesoa mihantona amin'ny Hazofijaliana ka miala aina eo anelanelana jiolahy roa. Tena mahagaga tokoa ny hatsarana sy ny herin'ny fitiavany: Ifonany amin'ny Rainy ireo mamono Azy. « Avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony ». Ankininy amin’ilay mpianany Reniny: « Joany, io ny Reninao! » «Tontosa ny zava-drehetra », hoy Izy, dia niala aina ho antsika Izy.
Miaraka: Andriamanitra Tompoko, hatramin’izao ankehitriny izao, dia fo tsy taitra sy manaiky no iandrasako izay anjarako voatendrinao hahafatesako, na toy inona, na toy inona, vonon-kandefitra ny ahiahy sy ny fijaliana ary ny fahoriana rehetra, momba izany tapak’andro izany aho.
Mpitarika: Mamindrà fo aminay, ry Tompo.
Vahoaka: Mamindrà fo aminay
Mpitarika: Aoka anie mba handry amin'ny fiadanana noho ny famindrampon' Andriamanitra ny fanahin'ny kristianina efa maty.
Vahoaka: Amena.
HIRA:
‘Zao ny zanakao ho ahy
Ndre maratra sy mijaly
Aiza ny anjarako
13. I Jesoa maty ka esorina eo amin'ny Hazofijaliana dia apetraka eo an-tanan-dreniny
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.
Vahoaka: Fa lanao nanavotra ny olombelona tamin'ny Hazofijalianao masina.
Mpitarika: Ry Maria reny malala, tsy iza fa izahay ihany no namono ny zanakao noho ny ratsy nataonay. Koa herezo mafy izahay hiala tokoa amin’ny ota rehetra mba hahafaly anao.
Vahoaka: Avy notrebonin'ny miaramila ny lefona ny tratran'i Jesoa, dia nomena an-dReniny ny fatiny. Tena Reny be alahelo sy mpanjakan’ny Martiry tokoa i Maria. « Ianareo rehetra mandalo, jereo ary diniho raha misy fahoriana mitovy amin'ny ahy? » Fa i Masina Maria tsy malahelo tahaka an'ireo tsy manan-kantenaina. Fantany fa i Jesoa Zanany, dia Zanak' Andriamanitra. Izy no fitsanganana sy fiainana ho antsika.
Miaraka: Mitsaoka ny Hazo Fijaliana izahay, Tompo, ary koa midera sy mankalaza ny fitsangananao ho velona indray, fa ny Hazo Fijaliana tokoa no iavian’ny hafaliana mampientana an’izao tontolo izao.
Mpitarika: Mamindrà fo aminay, ry Tompo.
Vahoaka: Mamindrà fo aminay
Mpitarika: Aoka anie mba handry amin'ny fiadanana noho ny famindrampon' Andriamanitra ny fanahin'ny kristianina efa maty.
Vahoaka: Amena.
HIRA:
Hiarak’ory aminao
Sy Jesoa mifantsik’anie
Mandra-pahafatiko
14. I Jesoa alevina
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.
Vahoaka: Fa lanao nanavotra ny olombelona tamin'ny Hazofijalianao masina.
Mpitarika: Tanteraka tokoa ny soron’ny tenanao nahafapo ny Rainao, ka voasasa ny otanay. Koa velom-panantenana izahay noho ny Teninao fa hitsangana tokoa raha manara-dia Anao.
Vahoaka: Mpianatra vitsivitsy no nandevina ny fatin'i Jesoa. Maro no iray hevitra tamin'ny Jody hoe: maty miaraka amin'i Jesoa ny fanantenana famonjena. I Maria kosa mahatadidy tsara ny tenin'ny Zanany hoe: « Amin'ny andro fahatelo Aho hitsangan-ko velona ».
Miaraka: Ry Jesoa maty ho anay ô, velomy ny fanantenanay ny Fiainan-ko avy, mba tsy hiraikitra loatra amin’ity tany fandalovam-bahiny ity ny fonay.
Mpitarika: Mamindrà fo aminay, ry Tompo.
Vahoaka: Mamindrà fo aminay
Mpitarika: Aoka anie mba handry amin'ny fiadanana noho ny famindrampon' Andriamanitra ny fanahin'ny kristianina efa maty.
Vahoaka: Amena.
HIRA:
Eo am-pototry ny hazo
Hiaraka ory aminao
‘zany tena sitrako
Fivavahana farany
Mpitarika: Ry Kristianina havana, hitanao amin' izao ny nataon'ny Tomponao ho an'ny tenanao! Vonona tokoa aho, ry Tompo, ny hamaly ny fitiavanao: ialako tokoa ny ratsy fa matoky Anao aho. Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba, tsinjovy ity fianakavianao etoana izay nahafoizanao tena hijaly sy ho faty. Noho ny fitalahoan'i Maria Reninay sy Reninao koa, dia ekeo ny fivavahanay na dia tsy mendrika aza, ka mba raiso any amin'ny fanjakanao izahay rahefa maty, ary mba raiso any an-danitra ny havanay sy ny sakaizanay ary ny mpanao soa anay efa nody mandry fa hamonjy anay no nahafatesanao, ry Jesoa.
Vahoaka: Tompo ô, mamindrà fo aminay, mamindrà fo amin'ny vahoakanao !
Fivavahana eo anatrehan’ny sarin’i Jesoa Kristy mifantsika
Ry Jesoa tsara fo sy mamiko indrindra, inty aho mandohalika sy miankohoka eto anatrehanao ary milelaka ny faladianao sy mitalaho mafy aminao: mba velomy sy ahomboy mafy ao am-poko ny finoana sy ny fanantenana sy ny fitiavana, ary ny fanenenana marina amin'ny ratsy rehetra nataoko sy ny fikasana mafy tsy hanao azy intsony, fa mitsetra sy malahelo tokoa aho izao mieritreritra sy mibanjina ny fery diminao sady mahatsiaro ireto teninao naloakan'ny vavan'i Davida mpaminany ireto heo : «Voaloakan’izy ireo ny tanako sy ny tongotro ary voaisany ny taolako rehetra».
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba tsinjovy ity fianakaviana etoana, izay nahafoizanao tena hijaly sy ho faty. Ekeo, na dia tsy mendrika aza, ny fivavahanay noho ny fitalahoan’i Maria Reninao sy Reninay koa, ka mba raiso ho any amin’ny Fanjakanao izahay rehefa maty.
Andriamanitra tsy toha sy mandrakizay, mamindrà fo amin’ny Mpanomponao, ny Papanay (…) ka tariho Izy, noho ny famindram-ponao, amin’ny alalan’ny famonjena mandrakizay. Ary Ianao, ry Jesoa, maty hamonjy anay, mba raiso ho any an-dranitra ny iray tampo, ny Havana, ny sakaiza sy ny mpanao soa anay efa nody mandry.
Mpitarika: Tompo, mamindrà fo, mamindrà fo amin’ny vahoakanao!
Vahoaka: Aza tezitra aminay mandrakizay
Rainay …, Arahaba …, Voninahitra …
Raha hiafara ny andronay, ka handray ny mandrakizay mba hidera Anao, ry Ray, tsofy rano ‘ndreto ‘zahay.
Tso-drano raha misy Pretra