KAREMY
Fiantrana
Fivavahana
Fifadian-kanina
Ny Karemy dia vanim-potoana fivalozana, fandinihan-tena ary famehezan-tena izay manomana antsika ho amin'ny Fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty ny alahadin'ny Paka, izay nahazoantsika ny Famonjena.
Ny vanim-potoanan'ny Karemy dia manomboka ny Alarobian'ny Lavenona ary maharitra 40 andro mandrapahatonga ny Paka. Tsy mikaonty ny alahady anan-kenina izay efa andro fankalazana ny fitsanganan'i Jesoa Kristy ho velona toy ny alahady mandavantaona.
Ny Karemy dia fotoana fiavaozana. Isika Kristianina moa dia efa tokony manao fifadian-kanina, mivavaka ary manao asa fiantrana isan'andro fa amin'ny vanim-potoanan'ny Karemy isika dia tokony hanao bebe kokoa ireo ary mihezaka ny hiova sy hiroso bebe kokoa amin'ny fanarahana an'i Kristy.
"Koa sady solon'ny Kristy àry izahay no irak'Andriamanitra koa, ka tahaka an'Andriamanitra no mananatra, sy toy ny tenan'ny Kristy no mihanta aminareo hoe: Mihavàna re amin'Andriamanitra hianareo! " 2 Kor 5:20. Io tenin'ny Soratra Masina io no nitondran'ny Papa Ray Masina ny hafatra izay nataony ho antsika amin'ity Karemy 2020 izay azonao vakiana amin'ny teny anglisy na amin'ny teny frantsay.
Fotoana Fivavahana
Toy ny fifandraisantsika sy fifaneraserantsika amin'ny namantsika sy ny olon-tiantsika dia mila manao torak'izany koa isika miaraka amin'ny Tompo Andriamanitsika izay ao anatin'ny fontsika ao. Ny Vavaka no fomba tsara indrindra hifaneraserantsika sy hanakakaizantsika bebe kokoa an'Andriamanitra. Ny Vavaka dia Fitiavana. Koa izay tia dia tokony hivavaka ary arakaraka ny hivavahana no mampitombo izany fitiavana izany. Ny Vavaka dia mila fanazaran-tena. Ny minitra tsikelikely hivavahanao no manova tsikelikely ny fonao ka lasa hampiova ny fiananao.
Ahoana moa izany hoe mivavaka izany? Ny mivavaka dia ny firesahana amin'Andriamanitra amin'ny fo manetry tena sy feno fahatokisana. Fisaorana an'Andriamnitra amin'ny fahasoavana izay mantsara ny fiainantsika. Fangatahana fanampiana Aminy: hery mba handrosoana amin'ny izay atao, faharisihina ny hiharina raha sendra lavo, mba ho lasa jiro manazava an'izao tontolo izao. Fangatahana fifonana mba hanafaka antsika amin'ny gejan'ny ota. Fihainona sy fanekena ny sitrapon'Andriamanitra.
Zavatra azo atao:
- Manokana fotoana mba hivavahana mangina
- Manokana fotoana mba hivavahana miraka amin'ny fianakaviana na miaraka amin'ny olona hafa
- Manokana fotoana mba hamakiana ny Soratra Masina. Afaka manao ilay atao hoe Lectio Divina isika, izany hoe mivavaka amin'ny alalan'ny Sorona Masina.
- Manokana fotoana mba hiarahana amin'i Jesoa Kristy eo anoloanan'ny Eokaristia (Eucharistic Adoration)
Fotoana Fivalozana
Miandry anao ny Tompo, te-hanome fiainana vaovao ho anao Izy. Tia anao Izy ary miandry anao mandrakariva. Tsy tokony hitsahatra ny miverina mitodika amin'Andriamanitra mandrakariva isika. Misy foana ireo zavatra izay manasaraka antsika Aminy mety ho zavatra kely na zavatra lehibe. Na inona izany na inona dia tsarovy fa ny Tompontsika dia be fitiavana sy be indrafo.
Zavatra azo atao:
- Manao ny fandinihan-tena isan'andro
- Mandeha mikofesy. Ny fandehana mikofesy matetika dia fomba tena mahomby amin'ny fanovana fiainana hanaraka an'i Kristy. Manampy amin'ny fialana amin'ny fahazaran-dratsy ary fahasoavana azo avy aminy dia manome hery hiadihana aimn'ny fankam-panahy
Fotoana Fanaovana Asa Fiantrana
Ny fitiavan'Andriamanitra izay ao anatintsika dia tokony hanosika antsika hijery ireo manodidina antsika. "Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto hianareo, dia nanao izany tamiko." Matio 25: 40
Zavatra azo atao:
- Manao asa soa. Na kely na betsaka vitanao dia ataovy am-pitiavana sy ho an'ny voninahitry ny Tompo.
- Atomboy amin'ny olona manodidina anao ny asa soa ataonao