top of page

NY RAOZERY

 

Fomba fivavahana ny Raozery

  1. “Famataran’ny Hazo Fijaliana” sy ny “Simbolin’ny Apostoly”

  2. “Rainay any an-danitra”

  3. “Arahaba ry Maria” in-telo

  4. “Voninahitra anie”

  5. Mistery voalohany sy “Rainay any an-danitra”

  6. “Arahaba ry Maria” im-polo sady manao fandinihina ny mistery

  7. “Voninahitra anie”, araka ny fangatahan’i Masina Maria tany Fatima dia atao izao vavaka manaraka izao: “Ry Jesoako ô, avelao ny helokay, arovy amin’ny memin’ny afobe izahay, tariho hankany an-danitra ny Fanahy rehetra, fa indrindra ireo izay mila ny famindram-ponao tokoa.”

  8. Mistery faharoa sy “Rainay any an-danitra”, averina ny laharana faha-6 sy 7 ary tohizana araka izany ny mistery faha-telo, faha-efatra, ary faha-dimy.

  9. Arahaba ry Mpanjakavavy, ry Reny be indrafo. Fiainanay ianao sy hamaminay ary fanantenanay, arahaba! Ianao no antsoinay zanak’i Eva voasesitany, ianao no isentosentoanay mitaraina sy mitomany amin’ity lohasahan-dranomaso ity. Eny, ry mpisolovavanay, ireny masonao feno indrafo ireny mba atodiho aminay. Ary rehefa afaka amin’ity sesitany ity, ataovy mahita an’i Jesoa naloaky ny kibonao izahay. Izany, ry be indrafo! Izany, ry be fitiavana! Izany e, ry Maria Virjiny maminay! Mivavaha ho anay, ry Reny Masin’Andriamanitra, mba ho tonga mendrika ny nampanantenain’i Kristy izahay. Amen

Vavaka ao amin'ny Raozery

Simbolin’ny Apostoly

Izaho mino an’Andriamanitra, Ray mahefa ny zavatra rehetra, nahary ny lanitra sy ny tany. Izaho mino an’i Jesoa Kristy, Zanany tokana Tompontsika, noforonin’ny Fanahy Masina, naterak’i Maria Virijiny, nijaly faha Pontsy Pilaty, nofantsihina tamin’ny hazofijaliana, maty dia nalevina, nidina tany ambany tany; nitsangan-kovelona tamin’ny andro fahatelo; niakatra any an-danitra, mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra, avy any Izy mbola ho avy, hitsara ny velona sy ny maty. Izaho mino ny Fanahy Masina, ny Eglizy masina manerana ny tany, ny fiombonan’ny olomasina, ny fanalana ny ota, ny hitsanganan’ny vatantsika ho velona, ary ny fiainana mandrakizay. Amena.

 

Rainay any an-danitra

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny Fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany, tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny haninay isan’andro, avelao ny fahotany, tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay, aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay,fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amena.

 

Arahaba ry Maria

Arahaba ry Maria, feno hasoavana. Ny Tompo ao aminao. Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina i Jesoa nateraky ny kibonao. Masina Maria, Renin' Andriamanitra, Mivavaha ho anay mpanota. Ankehitriny ary amin'ny andro hahafatesanay. Amena.

 

Voninahitra

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amena.

Mahafaly

Mistery mahafaly (Alatsinainy, sabotsy na mandritra ny fiaviana)

1- Ny Arkanjely Gabriely miarahaba an'i Maria

“Ary nony niditra tao aminy ilay anjely dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay feno hasoavana, ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy hianao.” Lk 1:28

 

Vokatry ny Mistery: Fanetretena

 

2- I Masina Maria mamangy an'i Mb Elizabeta

“Nony vao ren'i Elizabeta ny fiarahaban'i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina Elizabeta, ka nanandra-peo niantso mafy hoe: Nosoavina noho ny vehivavy rehetra hianao, ary nosoavina ny hateraky ny kibonao.” Lk 1:41-42

 

Vokatry ny Mistery: Fitiava-namana

 

3- I Jesoa teraka anaty tranon'omby

“Ary niteraka ny zanany lahimatoa izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin'ny fihinanam-bilona, fa tsy nisy hitoerany tao an-tranom-bahiny. “ Lk 2:7

 

Vokatriny Mistery: Fahantrana ara-panahy

 

4- I Jesoa atolotr'i Masina Maria sy Md Josefa ao anatin'ny Tempolin'Andriamanitra

“Ary rahefa tapitra ny andro fidiovany araka ny lalàn'i Moizy, dia nentiny ho any Jerosalema izy mba hatolotra amin'ny Tompo, araka ny voasoratra ao amin'ny Lalàn'ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra dia hatao hoe masina ho an’ny Tompo.” Lk 2:22-23

 

Vokatry ny Mistery: Fankatoavana

 

5- I Jesoa hitan'i Masina Maria sy Md Josefa tao anatin'ny Tempolin'Andriamanitra.

“Ary nony afaka hateloana, dia hitany tao anatin'ny tempoly izy nipetraka teo afovoan'ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy.” Lk 2:46

 

Vokatry ny Mistery: Fifaliana amin’ny fahitana an’i Jesoa

Mistery mampalahelo (Talata, zoma na mandritra ny Karemy)

Mampalahelo

1- I Jesoa miady aina

“Ary nanjary toy ny rà ny hatsembohany sady nipotrapotraka tamin'ny tany. Nony nitsangana avy nivavaka izy, dia nankeo amin'ny mpianany ka nahita azy matory noho ny alahelo.” Lk 22:44-45

 

Vokatry ny Mistery: Fanenenana

 

2- I Jesoa kapohina mafy

“Tamin'izany, nalain'i Pilaty Jeso ka nasainy nokapohina.” Jn 19:1

 

Vokatry ny Mistery: Fahadiovana

 

3- I Jesoa satrohana felhiloha tsilo

“Dia nendahany ny fitafiany ka nampitafiny kapaoty jaky izy; ary nandrandrana fehiloha tsilo izy ireo, dia nasatrony ny lohany, sady nampitaniny volotara ny tànany an-kavanana; rahefa izany dia nandohalika an-kila teo anatrehany izy ary naneso azy hoe: Arahaba, ry mpanjakan'ny Jody.“ Mt 27:28-29

 

Vokatriny Mistery: Fasahiana

 

4- I Jesoa ampitondraina ny hazofijaliana ka lavo in-telo

“Nentin'i Jeso ny hazo fijaliana, dia tonga teo amin'ny toerana atao hoe Kalvery izy, na hoe Golgota amin'ny teny hebrio.” Jn 19:17

 

Vokatry ny Mistery: Faharetana

 

5- I Jesoa fantsihana amin'ny hazofijaliana ka miala aina eo

“Ary niantso tamin'ny feo mahery Jeso nanao hoe: Raiko! apetrako ao an-tànanao ny fanahiko. Nony voalazany izany, dia niala aina izy.” Lk 23:46

 

Vokatry ny Mistery: Fikelezan’aina

Mistery be voninahitra (Alarobia sy alahady)

Be voninahitra

1- I Jesoa mitsangan-ko velona

“Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza matahotra hianareo; mitady an'i Jeso Nazareana ilay nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana hianareo; efa nitsangana tamin'ny maty izy, ka tsy eto; teo no nametrahany azy.” Mk 16:6

 

Vokatry ny Mistery: Finoana

 

2- I Jesoa Kristy miakatra any an-danitra.

“Ary rahefa niteny tamin'izy ireo Jesoa Tompo, dia nakarina any an-danitra, ka mipetraka eo an-kavanan' Andriamanitra.” Mk 16:19

 

Vokatry ny Mistery: Fanatenana

 

3- Ny Fanahy Masina midina amin'i Masina Maria sy ny Apostoly

“ka samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, sy niteny tamin'ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy avy. “ Asa 2:4

 

Vokatriny Mistery: Fitiavana an’Andriamanitra

 

4- I Masina Maria ampiakarin'ny Anjely any an-danitra

“Hianao no tabihan'i Jerosalema; hianao no fifalian'Israely; hianao no voninahitry ny firenentsika.” Jodita 15:10

 

Vokatry ny Mistery: Fahasoavana avy amin’ny fahafatesana am-piadanana

 

5- I Masina Maria satrohan'ny Trinite Masina satro-boninahitra any an-danitra

“Nony inona, nisy famantarana lehibe niseho teny an-danitra, dia Vehivavy anankiray nitafy masoandro, ny volana no teo an-tongony, kintana roa ambin'ny folo no satro-boninahitra teny an-dohany..” Fanambarana 12:1

 

Vokatry ny Mistery: Fahatokisana ny fitsinjovan’ny Masina Maria antsika

Mistery fahazavana (Alakamisy)

Fahazavana

1- I Jesoa atao Batemy ao Jordany

“(…) ary indro nisokatra taminy ny lanitra, ka hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala nankeo amboniny. Dia injay nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako izay ankasitrahako indrindra.” Mat 3:16-17

 

Vokatry ny Mistery: Fisokafana handray ny Fanahy Masina

 

2- I Jesoa manova ny rano ho divay eo amin'ny fampakaram-bady any Kana

“Dia hoy reniny tamin'ny mpanompo: Ataovy izay rehetra holazainy aminareo. ka hoy Jeso tamin'izy ireo: Fenoy rano ireo siny ireo. Dia nofenoiny hatramin'ny molony.” Jn 2:5-7

 

Vokatry ny Mistery: Maria mivavaka ho antsika

 

3- I Jesoa mitory ny Fanjakan'Andriamantira

“Ary raha mandeha hianareo, mitoria hoe: Efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony: nahazo maimaim-poana hianareo, koa manomeza maimaim-poana.” Mt 10:7-8

 

Vokatry ny” Mistery: Fibebahana sy fahatokisana an’Andriamanitra

 

4- I Jesoa miova tarehy any an-tendrombohitra

“Raha mbola nivavaka izy, dia niova toetra ny tarehiny sady tonga fotsy manjopiaka ny fitafiany.Ary nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, henoy izy.” Lk 9:29, 35

 

Vokatry ny Mistery: Ezaka ho amin’ny fahamasinana

 

5- I Jesoa mamorona ny Eokaristia

“(…) nandray mofo izy, ka nony efa nisaotra dia namaky azy, sy nanome azy ireo nanao hoe: Ity no vatako, izay atolotra ho anareo; manaova izany ho fahatsiarovana ahy. Dia nataony toy izany koa ny kalisy rahefa avy nihinana, ka hoy izy: Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin'ny rako, izay alatsaka ho anareo.” Lk 22:19-20

 

Vokatry ny Mistery: Fitsahoana

bottom of page