top of page

VAVAKA

Vavaka andavanandro

"Mivavaha lalandava; 18ary misaora amin'ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon'Andriamanitra, ao amin'ny Kristy Jesoa ho anareo rehetra." Tesalonisiana I 5: 17

 

Lalan'ny Hazofijaliana

Ry kristianina havana, manetre-tena, mandiniha, fa i Jesoa ilay tsy manan-tsiny dia voaheloka ho faty, hamonjy antsika. Amin'izao fanompoam-pivavahana izao no hahitantsika ny nataon'ilay Zanak'Andriamanitra hampisehoany ny fitiavany antsika.

 

Famindrampon'Andriamanitra

Ity fivavahana ity dia tsy maintsy arahina finoana mandrakariva, miaraka amin’ny fahatokiana sy fanetretena ary fanenenana sy fibebahana noho ny fahotana betsaka vita, mba hitondrany vokatsoa ho an’ny fiainantsika.

 

 

Raozery

“Ny Raozery dia niaraka tamiko foana na tamin’ny fotoam-pifaliana na tamin’ny fotoan-tsarotra. Taminy no nanakinako ny fahasahiranako marobe; ary tao aminy no nahitako fitsaharana sy fankaherezana… Ny Raozery no vavaka tiako indrindra… Mahavariana tokoa satria ny Raozery dia vavaka tsotra nefa mifono zavatra lalina.” Papa Joany Paoly II

 

bottom of page