Fivahinianana Masina teny amin'ny Grotto of Lourdes
Isaorana an'Andriamanitra lehibe fa tontosa soa amantsara ny fivahinihanana Masina izay natao teny amin'ny Grotto of Lourdes tamin'ny 12 aprily 2014 lasa teo. Tsara tokoa ny andro, maro ireo tonga namaly ny antso ary nizotra tsara ny fivavahana sy fandaharana rehetra natao. Isaorana indrindra ihany koa isika rehetra tonga niaraka nivavaka teny.
Ny fotoana moa dia niatomboka tamin'ny Lalan'ny Hazofijaliana izay natao indrindra handinihina ny nanjo an'i Jesoa tamin'ny fijaliany sy ny nahafatesany.
"Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay." Joany 3:16
Ny fanatanterahan'i Jesoa izany sitrapon'ny Rainy izany no niharetany ny kapaoka izay noraisiny tamim-pitiavana. Tsy inona akory fa dia ny otantsika olombelona no nozakain'i Jesoa tamin'ny fiadiana aina, eso, kapoka, faharerahana, teny marary sy mampalahelo, filanjana sy famatsihana tamin'ny hazo fijaliana, ary fialana aina. Eny ny otako sy ny otanao no nahatonga azy nijaly sy maty ary ny fitiavany antsika sy fankatoavany ny Rainy no nanekeny izany rehetra izany. Hitantsika amin'izany moa fa tsy maintsy misy ny fijaliana sy fahafatesana vao misy ny fitsanganan-ko velona. Noho izany isika rehetra dia mila maty ao amin'ny otantsika vao afaka hiaina tanteraka ny fianam-baovao ao amin'ny Kristy. Araka izany dia mila mihezaka isanan'andro isika miala amin'ny ota izay mangeja antsika mba hahafahantsika miaina feno ao anatin'ny fahasoavan'Andriamanitra ary mba hahazoantsika ny fiainana mandrakizay rehefa mandao ity tany fandalovana ity isika. Io fikatsahana ny fiainana mandrakizay io moa no tokony ho tanjontsika kristianina rehetra ary io no tokony hifanampiantsika sy hifanohanantsika.
Ny vavaky ny Lalan'ny Hazo Fijaliana moa dia mampatsiahy antsika ny vokatry ny otantsika ary manampy antsika mba ho tonga saina mba hiala amin'izany. Misy koa ireo fanazaran-tena sy fitaovana vitsivitsy azontsika atao sy ampiasaina mba hirosontsika bebe kokoa amin'ny fiainana tanteraka izany fiainam-baovao ao amin'ny Kristy izany: fandinihan-tena isan'andro, fandraisana ny Sakramenta Masina: Kofesy sy Kominio, ny fivavahana ary ny famakiana ny Soratra Masina.
Nisy koa moa ny vavaka mangiana izay nataon'ny tsirairay tao amin'ny Lagraoty sy ny Lasapely.
Nivory indray ny rehetra avy eo niaraka nivavaka ny Raozery Masina izay natomboka teo amin'ny ranon'ny Lourdes. Ny Raozery dia vavaka natao handinihana ny Vaovao Mahafaly (momba ny fiainanan'i Jesoa). Araka ny filazan'i Papa Joany Paoly II: "Rehefa mivavaka ny Raozery isika dia toy ny mipetraka ao an-tsekolin'i Masina Maria". Rehefa mivavaka ny Raozery isika dia mianatra momba an'i Jesoa ary maka tahaka Azy amin'ny alalan'ny fandinihana ny misterim-piainany miaraka amin'ny fanampian'i Masina Maria. Hoy i Md Louis Marie de Montfort hoe: "Ny fahatongavantsika lafatra dia tsy inona akory fa ny fakana tahaka an'i Kristy, ny fitambarantsika ho iray ao amin'i Kristy, ary ny fanolorantsika tena ho an'i Kristy". Ny Raozery dia manampy antsika ho amin'ny fahatratra izany tanjona izany satria isaky ny manao io vavaka io isika, izay arahana ny fandinihana ny mistery sy fandinihan-tena, dia miha-mitovy amin'i Kristy, miha-iray ao amin'i Kristy, ary miroso amin'ny fanoloran-tena ho an'i Kristy. Koa manasa antsika rehetra mba hivavaka ny Raozery isan'andro araka ny fangatahan'i Masina Maria tao Fatima.
Nisy koa ny fiarahana nisakafo sy dinidinikin'ny mpianakavy ary fampifaliana ny ankizy. Taorin'izany dia nofaranana tamin'ny Sapilen'ny Fampindrampon'Andriamanitra ny fotoana. Isika tsirairay avy dia noharian'Andriamanitra ary efa manana planina ho antsika rehetra Izy fa indrindra maniry antsika rehetra hiaraka Aminy any amin'ny fiainana mandrakizay any an-danitra Izy. Izany moa dia noho ny fitiavany antsika tsy manam-pahataperana. Isaky ny manota anefa isika dia manda izany fitiavany izany ary miala tsikelikely ao amin'Andriamanitra. Rehefa lasa tafarotsaka lalina ao anatin'ny ota moa isika dia tena manalavitra tanteraka an'Andriamantira. Izy anefa tsy mitsahatra ny miandry antsika hiverina aminy. Tiany loatra isika ka nomeny ny Zanany Lahitokana hanavotra antsika amin'ny fahotana sy ny fahafatesana izay vokatry ny fahotana Izy. Izany famindrampony lehibe izany no hangatahantsika amin'ny alalan'ity Sapilen'ny Famindrampon'Andriamanitra ity. Satria efa maty sy nitsanga-ko velona ho antsika i Jesoa Kristy Zanany Lahitokana dia lasa afaka manana anjara amin'ny fanjakan'ny lanitra isika. Izany famindrampony izany dia maimaim-poana fa nefa kosa tsy afaka ny hanery antsika handray izany izy fa anjarantsika no mitodika aminy sy mandray izany. Mampalahelo anefa fa indraindray variana isika na misy koa izay minia tsy te-handray izany amin'ny fidirana lalina amin'ny fahotana sy ny fanompoana andriamanitra hafa. Dia izay indrindra no hanaovantsika ity vavaka ity. Izy io moa dia vavaka izay nomen'i Jesoa an'i Mb Faustina ary iriany isika raha manao izy io isaky ny amin'ny 3 ora hariva, izay ora nahafatesan'i Jesoa ka nitondrany ny otantsika rehetra sy nahazoantsika ny famindrampon'Andriamanitra satria tatereny ny asa izay nasain'ny Rainy nataony dia ny nisolo toerana antsika mba hahazoantsika ny fiainana mandrakizay.