top of page

Olontsambatra Ramose Botovasoa Lucien

Teraka:         1908 tao Vohipeno, Madagascar

Maty:            14 aprily 1947, Ambohimanarivo, Manakara, Madagasikara

Fety:              14 aprily

Mpiahy ny:  mpivady, ray ary ny mpampianatra

Natsangana ho olontsambatra:    15 aprily 2018, Vohipeno notarihan'ny Kardinaly                                                                             Maurice Piat

I Botovasoa Lucien dia teraka tamin'ny 1908 ary lahimatoa tamin'ny 9 mianadahy nateraky ny ray amandreniny. Nianatra tamin'ny sekolim-panjakana izy nanomboka tamin'ny 1918 talohan'ny nanaovana Batemy sy nandraisany ny Kominio Voalohany tamin'ny 1922. Avy eo izy namita ny fianarany tao amin'ny sekoly Jesoita Md Josefa tamin'ny 1922-1928 ary nahazo ny diploma fampianarana. Lasa mpampianatra izy ary nahavatra namaky ny tantaran'ny olomasina tamin'ireo mpianany ary nanampy ny fampianarany tamin'izany sy fampandrisihina ho an'ireo mpianany.

Tamin'ny 10 oktobra 1930 izy dia nanambady an'i Suzanna Soazana ary niteraka dimy izy ireo. Bevohoka ny zanany fahadimy i Suzanna tamin'ny fotoana nahafatesan'i Lucien. Tsy nampoizin'ny olona ny fanambadiany satria noheverin'izy ireo ho lasa pretra izy. Nisy masera naontany azy hoe tsy nanenina ve izy nanambady dia namaly tsy ampisalasalana izy: "Tsy manenina aho na dia kely aza" ary nampiany fa ny fanambadiana no namela azy hanompo an'Adnriamanitra 

bottom of page