top of page

Lection Divina

Ny Lectio Divina dia fomba fivavahana sy famakiana ny Soratra Masina izay fanaon'ireo pretra tany amin'ny monasitera taloha ary lasa nataon'ny kristianina tsotra taty aoriana. Ny tanjontsika amin'ny mivavaka moa dia ny mba hanatonantsika bebe kokoa an'Andriamanitra sy hahalantsika ny sitrapony amin'ny fiainantsika koa ny fanaovana ny Lectio Divina dia fomba iray tena tsara hananantsika fifandraisana manoka amin'Andriamanitra. 

Izy ity moa dia afaka ampisaintsika rehefa mamaky ny Soratra Masina ka azontsika atao tsara izany rehefa mamaky ny vakinteny isanandro na maka andinin'ny Soratra Masina izay tiantsika ho vakiana. Afaka atao tsara miaraka amin'ny olona na samirery izy ity.

HDA.png

Ny fanomanan-tena

Raha tena te-hiroso amin'ny fiainana ara-panahinao ianao dia fomba iray azo hanazaran-tena isanandro tokoa ny Lectio Divina. Somary mila faharetana kely amin'ny voalohany satria mety tsy mbola tonga dia hahazo vokatra vetivety ianao fa rehefa zatra manao azy matetika dia ho hitanao fa dia tena ho lalindalina kokoa ny fifampiresahanao amin'Andriamanitra.

 

Mangala fotoana eo amin'ny 10 min isanandro eo hanaovana azy ity. Mety mbola ho tsy mifantoka tsara koa amin'ny voalohany, mety ho voasariky ny zavatra hafa ny saina na misy koa ireto zavatra mety hanapataka ny fandinihanao sy ny vavaka eny anelanelany eny fa rehetra maharitra sy mizatra ianao dia tena afaka mifantoka tsara. Mba ialana amin'ny zavatra mety anelingelina dia tsara raha maka toerana mangina ianao.

 

Homany ny tenanao mba hahatsapa ny fanatrehan'Andriamanitra. Manampy amin'izany ohatra ny miaina moramora sy lalina  dia mampitony ny tenanao sy mampifantoka anao  fa eo anatrehanao eo tokoa Andriamanitra ka hiresaka Aminy ianao. Avelao ny sainao hifantoka ho amin'ny famakiana ny Soratra Masina. Raha toa ka sarotra ho anao ny mifantoka, izay mety hitranga indraindray, dia aza mikorapaka mihezaha fotisny ho tony dia miverina mifantoka tsikelikely.

Rehefa tony isika ka efa mifantoka tsara dia afaka manao vavaka tsotra toy izao:

"Amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Tompo, fantatro fa eto ianao. Misaotra Anao aho fa navelanao hahatsapa ny fisianao eto anatrehako aho."

Afaka manao vavaka fangatahana ny Fanahy Masina toy izao:

"Midina ry Fanahy Masina, fenoy ny foko, ary velomy ao anatiko ny afom-pitiavanao. Hazavao ny foko sy ny saiko mba hahalalako ny fahamarinana sy hifaliako ao amin'ny fitiavanao. Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy no hangatahanay izany. Amen."

Toy izao ny fandehan'ny Lection Divina:

Lectio (Mamaky): Vakiana miadana tsara ny andinin'ny Soratra Masina dia averimberina matetika ny andininy izay nanaitra sy nisarika anao. 

Medatio (Mandinika): Mandinika sy mihezaka hahafantatra ny tian'ny andininy holazaina aminao sy ny hampiarana azy amin'ny fiainanao.

Oratio (Mivavaka): Manainga ny fo sy fanahy hiresaka amin'Andriamanitra. Ny andiny izay novakiana dia mety hahatonga anao hanao vavaka fisaorana, fifonana na fangatahana arakaraka ny haingam-panahy azonao. 

Contemplatio (Mankafy): Fangalana fotoana hankafizana ny maha eo anatrehan'Andriamanitra anao ka amelanao ny Teniny hihiditra lalina ao amponao. 

bottom of page