MOMBAMOMBAN’NY FAMINDRAMPON’ANDRIAMANITRA
Nampianatra antsika i Jesoa mba tsy handray na hahalala fotsiny ny famindrampon’Andriamantira isika, fa indrindra hamindra fo amin’ny hafa ihany koa, araka ny teniny hoe : « Sambatra izay mamindra fo fa hamindrana fo izy ». (Mt 5,7)
Niantso tovovavy iray ho apostolin’ny Famindrampon’Andriamanitra i Kristy, dia i masera Faustine Kowaksa, avy ao Polona. Tsy tian’ny Tompo, hoy i masera Faustine tamin’ny lahatsoratra navelany, ny hanasazy ny taranak’olombelona. Iriny ny hanasitrana azy ao amin’ny Fony feno famindrampo.
Nanomboka tamin’ny taona 1931 dia niseho matetika tamin’ity masera ity i Jesoa. Rehefa avy nampianariny ny famindrampon’Andriamanitra izy, dia nomeny didy hanaparitaka izany eran-tany. Tamin’ny 22 febroary 1931, tao Plock (Polona) no nisehoan’i Jesoa voalohany tamin’i masera Faustine ka nangatahany hanao sary mitovy izay hitan’i masera Faustine ary hoasiana ny soratra hoe : « Ry Jesoa ô, matoky Anao aho ». Ny tsirim-pahazavana fotsy dia manambara ny rano izay manamarina ny fanahy ary ny mena dia manambara ny ra izay manome ny fiainana ho an’ny fanahy.
Antsoin’ny Mpamonjy hitodika amin’ny famindrampony ny zanak’olombelona alohan’ny hahatongavan’ny fitsarany.
Oran’ny famindrampon’Andriamanitra
I Jesoa dia manasa antsika mba hankalaza isan’andro ny fotoana nialany aina teo ambony hazofijaliana tamin’ny 3 ora tolakandro. Nolazainy tamin’i masera Faustine fa tamin’io ora io no nomena fahasoavana izao tontolo izao – ny famindrampo no nadresy ny fahamarinana (justice).
« Isaky ny mipaika ny amin’ny 3 ora, dia mitafia tanteraka ny famindrampoko ianao, sady mitsaoha azy no manomeza voninahitra azy ; miantsoa ny heriny lehibe ho an’izao tontolo izao ary indrindra ho an’ireo mpanota fadiranovana satria amin’io fotoana io ny fanavotana dia misokatra ho an’ny fanahy rehetra. »
(P.J. 1572)
Alahadin’ny famindrampon’Andriamanitra sy ny hasiviandro
Tamin’ny nanandratana an’i masera Fausitne ho olomasina, ny 30 aprily 2000, no nanambaran’i Papa Joany Paoly II fa manomboka izao ny Alahady faharoan’ny Paka dia ho atao hoe : Alahadin’ny Famindrampon’Andriamanitra. Tamin’ny Zoma Masina 1937 no nandidian’i Jesoa an’i masera Faustine hanombohana ny hasiviandron’ny Famindrampon’ Andriamanitra. Hoy i Jesoa taminy « Iriko ny hitondranao ny fanahy rehetra ao amin’ny loharanon’ny famindrampoko mandritra io hasiviana io, hanovozany ao ny hery, ny fihavaozana sy ny fahasoavana rehetra ilainy eo amin’ny adim-piainana, indrindra eo amin’ny fotoana hahafatesany ».
Nalaina tao amin'ny Ilay Apostolin'ny Famindrampon'Andriamanitra, Henri Sawarski, msf, 2001